MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FOTODRAFITRASA: AFAKA VOLANA VITSY DIA VITA TANTERAKA NY KIANJA MANARA-PENITRA ETO MORONDAVA. HOMENA LANJA MANOKANA NY FITRANDRAHANA NY TORAPASIKA HO AN’NY FANATANJAHANTENA.

Araka ny toromarika nomen’Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena mahakasika ny fitantanana mahomby ireo foto-drafitrasa ho an’ny fanatanjahantena, dia nanatanteraka dinika sy fiaraha-mamolavola ny paika entina hiatrehana izany ireo tompon’andraikitra eto Morondava sy ny avy amin’ny Ministera foibe.

Ho fiatrehana ny fitantanana ny Kianja manara-penitra eto Morondava izay tombanana ho vita ato anatin’ny volana vitsy, dia nodinihina ny fomba matihanina hikojakojana maharitra ny foto-drafitrasa sy ny fomba fampiodinana azy hahaleo tena. Nojerena indrindra koa ny fomba ahafahan’ny mpanao fanatanjahantena sy mponina rehetra ao amin’ny faritra misitraka ireo fotodrafitrasa.

Nizara sy nampita ireo traikefa amin’ny fitantanana ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny TAFITA sy ny teknisiana misahana ny fananana sy ny fotodrafitrasa eo anivon’ny Ministera foibe. Izany dia tafiditra ao amin’ny dingan’ny fitsinjaram-pahefana tena izy.

Etsy an-kilany dia nodinihina manokana ihany koa ny fanomezan-danja manokana ny fanatanjahantena eny amy ny tora-pasika( sports des plages) , kianja natoraly, tsy ilana volabe, izay tena mampanakarena ny Faritra Menabe nefa tena mahomby ho amin’ny fitaizam-batana sy fanomanana taniketsan’ny tanora mpanao fanatanjahantena. Apetraka ho laharam-pahamehana noho izany ny fampitaovana eny amin’ireo tora-pasika vitsivitsy ; miara-dalana aminy fiofanana manatona vahoaka (na formation décentralisée) hotaterahin’ny ANS manomboka amy volana Aprily 2022 ity.

Autre Articles

LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

Ho maro ny fivezivezena eto an-toerana indrindra eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato mialoha, mandritra ary aorian'ny lalaon'ny Nosy. Nisy ny fidinana ifotony teny an-toerana ho fijerena ny pitsopitsony farany amin'ny fikarakarana izany. Tonga nanatrika izany ny...

LALAON’NY NOSY 2023 : FITSIDIHANA IREO EKIPAM-PIRENENA

LALAON’NY NOSY 2023 : FITSIDIHANA IREO EKIPAM-PIRENENA

Ho fanomanana ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 dia tonga teny amin'ny Hôtel Mada Espace By Pass ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA no sady Minisitra mpiahy ny taranja Boxe sy ny taranja Cyclisme niaraka tamin'ireo mpiara...

EISA (Electoral Institut for Democracy Sustainable in Africa)

EISA (Electoral Institut for Democracy Sustainable in Africa)

Tonga nitsidika ara-pomba fanajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny 26 jolay 2023 teo, ny solontena avy amin'ny EISA izay notarihan'Andriamatoa Valdiodio NDYAIE. Nandritra ny fihaonana no nandinihina sy nanaovana fifanakalozan-kevitra momba ireo endrika...

FIRAISAN’NY SKOTISMA ETO MADAGASIKARA

FIRAISAN’NY SKOTISMA ETO MADAGASIKARA

Noraisin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, tao amin'ny biraony Ambohijatovo ny 26 jolay 2023 ireo tanora skoto 15 lahy izay hisolontena an'i Madagasikara mandritra ny fihaonamben'ny Skoto na Jamboree skoto maneran-tany andiany faha 25 Ny fikambanana skoto...

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay...