FITSIDIHAN’NY MINISITRA TAO ANKAZOABO, FARITRA ATSIMO ANDREFANA

Na dia teo aza ny andro ratsy dia nitohy hatrany ny fitsidiham-paritra nataon’i Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD’ALI.

Tonga tao Ankazoabo, Faritra Atsimo Andrefana ny delegasiona ary nahafaly ny fandraisan’ny Solombavambahoaka sy ireo tompon’andraiki-panjakana teo an-toerana.

Nisy ny fivoriana niarahana tamin’izy mahakasika ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai sy ireo olana eny an-toerana. Avy eo dia noteteziko avokoa ireo fotodrafitrasam-panjakana rehetra teo an-toerana efa manomboka : ny kaominina, ny EPP ary ny CSB.

Hita ihany koa fa tena ratsy ny kianja eto an-toerana ka tsy maintsy hamboarina.

Nanolotra baolina foot sy basket maromaro izy ho an’ny Solombavambahoaka, ny Délégué Jeunesse et Sport eo an-toerana, ny Filohan’ny Section Football ary nanampy ny fikambam-behivavy amin’ny fanomanana ny 8 mars.