Namangy ny distrikan’i Benenitra indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD’ALI sy ny ekipany. Anisan’ny district sahirana ary saika tsy misy mpandalo.
Isaorana ny Solombavambahoaka, ny Chef District, ny Ben’ny Tanàna, ary ny Délégué Jeunesse et Sport teny an-toerana tamin’ny fandraisana.
Nisy ny fiaraha-mivory sy ny fihaonana tamin’ireo Tanora, izay nahafahana nahafantatra ny teny manahirana azy ireo.
Nisy ny fitsidihana ireo fotodrafitrasa manarapenitra andalam-panamboarana (CSB 2, Kaominina, Maison de Jeunesse sns)
Anisan’izany ihany koa ny fijerena toerana hanorenana Kianja manarapenitra vaovao.
Farany, dia nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena toy ny baolina foot sy basket ary jeu de maillots izy ho an’ireo tanora.