Tanteraka ny faha 6 Martsa 2022, tao amin’ny Akademia Nasionalin’ny Fanatanjahantena (ANS) Ampefiloha, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Kick Boxing.
Voafidy hitantana izany, Atoa LYLISON René de Roland, raha nazaho vato 5 avy amin’ireo ligy 9 tonga nifidy.
Nanatrika izany fifidianana izany, Rtoa RAKOTOZAFY Rosa, Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena sy Atoa ANDRIATERAKANDRIANA Aina, Talé misahana ny Fitantanana sy Fanohanana ny Fanatanjahantena Avo Lenta (DASHN), eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.