Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny andron’ny vehivavy 08 Martsa 2022 izao, dia nisy ny « match de GALA » izay notanterahina ny 6 Martsa 2022, izay natao teto amin’ny kianjan’ ACMIL Antsirabe izay nifanaovan’ny FIVAPOVA( Fikambanan’ny Vadin’ny Polisy Vakinakaratra) sy ny ENIAP( Ecole Nationale des Inspecteurs et Agents de Police).
Nivoaka mpandresy nandritra izany lalao izany ny ekipan’ny ENIAP.
Notolorana mari-pakasitrahana ihany koa ireo ekipa roa tonta, ary amboara ho an’ny izay mpandresy, izay avy amin’Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.