Tsy nataon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ambanin-javatra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny vehivavy na ny 8 Mars, izay andro fankalazana izany. Ao amin’ny renivohitrin’ny Faritra Vakinakaratra no ankalazana izany amin’ity taona ity.
Mandray anjara amin’ny fampiratiana amin’ny alalan’ny Trano eva miaraka amin’ireo Minisitera isan-tsokajiny ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay eto amin’ny « GARE Antsirabe » mba ho fahapafantarana bebe kokoa mahakasika ny Minisitera no tanjona amin’izany.