Mifanojo tanteraka amin’ny vina sy ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika izay sahanin’ny Ministera misahana ny Tanora ireo tarigetran’ny fikambanana T. A. M. A. na Tanora Aktifan’i Madagasikara.
Tanjon’izy ireo ny hampanjakana ny filaminana eo anivon’ny fiarahamonina, ny fampandraisana andraikitra ny tanora, fanazarana ireo mpikambana hanao asa soa sy sosialy, ary ny asa fampandrosoana rehetra mahakasika ny tanora.
Anisany mampiavaka ny TAMA ny fananan’izy ireo rantsa-mangaika manerana ny faritra 23, izay mipaka hatrany amin’ny kaominina rehetra ary indrindra ny fokontany eny ifotony. Mipetrapetraka ihany koa ny fitantanan-draharaha satria dia efa voarafitra ny fandaharan’asa 2022 izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ary nampahafantarina ihany koa ireo tompon’andraikitra hiadidy (mandatement des membres) izany eo anivon’ny birao foibe amin’ity taona 2022 ity.
Nanao ny fanekena ireo mpitantana amin’ny fanatontosana ny andraikitra iantsorohan’izy ireo teo anatrehan’ny Filoha mpamorona nasionaly Ramatoa RAZAFIMANDIMBY Rija Ethel Niaina, ny solon-tenampanjakana ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora sy ny Tale miandraikitra ny Fandrindrana ankapobeny ny Fikambanana tanora, samy eo anivon’ny Ministra Lefitra misahana ny Tanora ary koa ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny TAMA anisan’izany ny BGFI Bank, STOI, ny Filatex sy ny maro hafa.
Hisy araka izany ny fiaraha-miasa akaiky aminy TAMA toy ny fanofanana ireo mpikambana amin’ny haitarika sy adisisika. Ny Ministra Lefitra misahana ny Tanora raha teo dia mametraka ho vaindohan-draharaha ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana tanora sy ny Filankevitry ny Tanora isan’ambaratonga entina manatratra ireo Velirano faha-8 ny Filohan’ny Repoblika dia ny Fampizakan-tena ny Tanora izany.
Tao anatin’ny lanonana ofisialy no nanoloran’ny birao TAMA ny mari-pankasitrahana ho an’ireo rehetra mpiara-miasa aminy. Anisany notolorana izany mari-pankasitrahana izany ny VMJ Ramatoa Juliana Ratovoson.