MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

Fiarahabàna ny Praiminisitra sy Ramatoa vadiny

Tonga niarahaba ny Praiminisitra, Andriamatoa Ntsay Christian, sy Ramatoa vadiny, nahatratra ny taona vaovao 2022 ireo mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta Malagasy, androany maraina.
Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena no nitondra ny teny firarian-tsoa tamin’ny anaran’ny governemanta, ho an’ny Praiminisitra mivady, « manoloana ny adidy mavesatra iandraiketana eto amin’ny Firenena », ary nisaotra ny Lehiben’ny governemanta manokana tamin’ny fiaraha-miasa nentina nampandrosoana ny tanindrazana hatrizay.
Teo anatrehan’izany dia naneho ny hafaliany ny Praiminisitra ka nanao teny fisaorana, ary nambarany fa « nahatsipaka » ny taona 2021 isika ka « Andriamanitra manakarem-pahasoavana anie hitahy sy hitondra fahombiazana feno ho an’ny tsirairay sy ny firenena ».
Notsiahivin’ny Praiminisitra fa nandalo fotoan-tsarotra ny firenena nandritra iny taona 2021 iny, ary nisy ireo fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisina manoloana ny toe-java-nisy, ka ny fanamby andrasana amin’ny mpikambana dia ny hanatrarana ny tanjona napetraky ny governemanta.
Teo no nanamafisany ny « tokony hisian’ny firaisan-kina eo anivon’ny governemanta mba ho tanteraka hatrany ny fampandrosoana ny firenena, ary adidin’ny tsirairay ny manampy ny Filoham-pirenena amin’ny fahaiza-manao, ny herim-po, ny fahamarinana ; satria nametraka fitokisana tamintsika ny Filoha tamin’ny nanendreny antsika, ka anjarantsika no mampiseho fahamendrehana amin’izany andraikitra izany, amin’ny alalan’ny asa ho an’ny firenena ».
Sarotra ny manatanteraka ny zava-drehetra, hoy ny Praiminisitra, ka isika no mijery ny fomba fiasa tokony hapetraka mba hanatrarana ny tanjona, dia ny fampandrosoana.
Mahazoarivo, 05 janoary 2022

Autre Articles

TANORA MIZARA AMPITIAVANA ♥️♥️♥️

TANORA MIZARA AMPITIAVANA ♥️♥️♥️

Tsy hain’ny tanora ny hijery fotsiny izao voina mahazo ny mpiray tanindrazana izao. Tsara kokoa ny manome noho ny mandray , tamim-pitiavana no nitondran’ny tanora fitafiana mafana hanampiana ireo niharam-boina. Izany rehetra izany dia natao teo ambany fitarihan’i...

FIARAHA-MIASA MJS- UNFPA

FIARAHA-MIASA MJS- UNFPA

Nahazo fampitaovana MOTO CROSS miisa ny Ministère de la Jeunesse et des Sports avy amin'ny UNFPA Madagascar ho fanamorana ny fidinana ifotony atao ho fampiroboroboana ny Tanora. Ireo Moto ireo dia omena iasana amin'ny Maison des Jeunes any amin'ireto Faritra manaraka...