MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

Fiarahabàna ny Praiminisitra sy Ramatoa vadiny

Tonga niarahaba ny Praiminisitra, Andriamatoa Ntsay Christian, sy Ramatoa vadiny, nahatratra ny taona vaovao 2022 ireo mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta Malagasy, androany maraina.
Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena no nitondra ny teny firarian-tsoa tamin’ny anaran’ny governemanta, ho an’ny Praiminisitra mivady, « manoloana ny adidy mavesatra iandraiketana eto amin’ny Firenena », ary nisaotra ny Lehiben’ny governemanta manokana tamin’ny fiaraha-miasa nentina nampandrosoana ny tanindrazana hatrizay.
Teo anatrehan’izany dia naneho ny hafaliany ny Praiminisitra ka nanao teny fisaorana, ary nambarany fa « nahatsipaka » ny taona 2021 isika ka « Andriamanitra manakarem-pahasoavana anie hitahy sy hitondra fahombiazana feno ho an’ny tsirairay sy ny firenena ».
Notsiahivin’ny Praiminisitra fa nandalo fotoan-tsarotra ny firenena nandritra iny taona 2021 iny, ary nisy ireo fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisina manoloana ny toe-java-nisy, ka ny fanamby andrasana amin’ny mpikambana dia ny hanatrarana ny tanjona napetraky ny governemanta.
Teo no nanamafisany ny « tokony hisian’ny firaisan-kina eo anivon’ny governemanta mba ho tanteraka hatrany ny fampandrosoana ny firenena, ary adidin’ny tsirairay ny manampy ny Filoham-pirenena amin’ny fahaiza-manao, ny herim-po, ny fahamarinana ; satria nametraka fitokisana tamintsika ny Filoha tamin’ny nanendreny antsika, ka anjarantsika no mampiseho fahamendrehana amin’izany andraikitra izany, amin’ny alalan’ny asa ho an’ny firenena ».
Sarotra ny manatanteraka ny zava-drehetra, hoy ny Praiminisitra, ka isika no mijery ny fomba fiasa tokony hapetraka mba hanatrarana ny tanjona, dia ny fampandrosoana.
Mahazoarivo, 05 janoary 2022

Autre Articles

ATRIKASA MAHAKASIKA NY TETIKASA OBS-MADA

ATRIKASA MAHAKASIKA NY TETIKASA OBS-MADA

Atrikasa mahakasika ny Fankatoavana ny tari-dalana sy fitaovana fanofanana Tanora momba ny hay-taky sy ny hay-tarika ary Fitantanana sy Fampiroboroboana Tetikasa no notanterahina tetsy amin'ny Hotel Colbert ny 25 Novambra 2021 lasa teo. Notontosaina izany mba...

FITSIDIHAN’NY VMJ NY DISTRIKA’NY VATOMANDRY

FITSIDIHAN’NY VMJ NY DISTRIKA’NY VATOMANDRY

Tao aorian’ny fandalovan’i Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian teto Vatomandry no nanombohana ny fametrahana izao fotodrafitrasa ho an’ny tanora izao na « Maison des Jeunes ». Vita tanteraka ny asa fanamboarana, koa nitsidika ny Distrikan’i Vatomandry ny...