MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

MADAGASIKARA – SUISSE HANAMAFY NY FIARAHA-MIASA HO AN’NY TANORA

Nanatontosa fitsidihana ara-pomba fanajana an-dRamatoa RATOVOSON Tahina Juliana, Minisitra Lefitra misahana ny Tanora, Andriamatoa Chasper Sarott, masoivohon’ny firenena Suisse eto Madagasikara, ny alakamisy faha 13 janoary 2022.
Ankoatra ny fifampiarahabana nahatratraran’ny roa tonta ny taona vaovao 2022 dia nisy ny dinika ny amin’ny fiaraha-miasa azo atao avy amin’ny Firenena Suisse sy ny Departemanta tarihin-dRamatoa Minisitra Lefitra misahana ny Tanora.
Tetik’asa maro mahakasika tanora araka izany no ho tontosaina, toy ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny tohana amin’ny fandraharahana ataon’ny Tanora.
Teo koa ny fifanakalozan-kevitra izay mety ho tosika ho an’ireo « Maisons des Jeunes », anisany naroson-dRamatoa Minisitra lefitra ihany koa ny hametrahana Maison des Jeunes eto Antananarivo renivohitra. Ny Firenena Suisse rahateo moa dia malaza amin’ny fanohanana ireo tetik’ asa manasoa ny fampandrosoana ny maha olona.
Tsy adino tao anatin’ny fifampiresahana ny hampitomboana ny fahafahan’ireo tanora malagasy misitraka fiofanana sy fandratoana fianarana any amin’ity firenena ity izay efa misy isan-taona.
© VMJ Janv 2022

Autre Articles

TANORA MIZARA AMPITIAVANA ♥️♥️♥️

TANORA MIZARA AMPITIAVANA ♥️♥️♥️

Tsy hain’ny tanora ny hijery fotsiny izao voina mahazo ny mpiray tanindrazana izao. Tsara kokoa ny manome noho ny mandray , tamim-pitiavana no nitondran’ny tanora fitafiana mafana hanampiana ireo niharam-boina. Izany rehetra izany dia natao teo ambany fitarihan’i...

FIARAHA-MIASA MJS- UNFPA

FIARAHA-MIASA MJS- UNFPA

Nahazo fampitaovana MOTO CROSS miisa ny Ministère de la Jeunesse et des Sports avy amin'ny UNFPA Madagascar ho fanamorana ny fidinana ifotony atao ho fampiroboroboana ny Tanora. Ireo Moto ireo dia omena iasana amin'ny Maison des Jeunes any amin'ireto Faritra manaraka...