
Ny Alatsinainy 17 Janoary no fivoriana voalohany tamin’ity taona ity niarahan’i Ramatoa Minisitra lefitra misahana ny Tanora Juliana Tahina Ratovoson. sy ireo Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny Faritra 23.
Fotoana nanaovana tombana ny taona 2021, nanomezana ireo toromarika ho fanatsarana ny fomba fiasa ary nanomezana ireo laharam-pahamehana ny amin’ireo asa miandry.
Vonona avokoa ireo mpiara-miasa rehetra ato amin’ny Ministère de la Jeunesse et des Sports , #DRJS hiatrika ity taonan’ny asa ity.
© VMJ Janv 2022