Tonga teny Mahamasina nanome voninahitra ny lanonana fankalazana ny 8 martsa izay niarahana tamin’ny Federasiona Malagasy ny taranja Basketball, Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Nambarany nandritra ny lahateny nataony fa zava-dehibe loatra ny anjara toeran’ny vehivavy eto amintsika, indrindra moa fa eo amin’ny fanatanjahantena.
Anisany federasiona manome lanja lehibe ny fampiroboroboana ny vehivavy ny FMBB.
Niarahaba sy nankahery ny vehivavy rehetra ihany koa ny tenany amin’izao fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy izao.
Nandritra ny hetsika dia nisy ny fanentanana izay nokarakarain’ny Federasiona ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana niharam-boina nateraky ny rivo-doza izay nifanesy teto amintsika.