MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TRA-BOINA: VONONA NY TANORA HANDRAY ANDRAIKITRA AMIN’NY FANENTANANA.

ao aorian’ny fiantsoana ny tanora hilatsaka an-tsitrapo hanatanteraka fanentanana, miisa 426 ireo tanora vonona sy namaly ny antso. Nomena toromarika sy fampiofanana ireo tanora, androany Asabotsy 22 janoary tao amin’ny Ministère de la Jeunesse et des Sports Ankorondrano.
⭐Fiofanana momba ireo hafatra fototra mahakasika ny fiatrehana ny tondra-drano, ny rivodoza, ny ady amin’ny Covid 19, ny fahadiovana sy ny fidiovana, ary ny ady amin’ny herisetra no nomena ireto tanora.
⭐Vita izay dia nanomboka ny fanentanana ireto tanora teny amin’ireo toby fialofana misy ireo tra-boina miisa 23 sy ireo fokontany 15.
⭐Mitohy hatrany izao hetsika fanentanana izao izay iaraha-miasa amin’ireo fikambanana tanora, ny BNGRC, MCC, MEAH, UNICEF, UNFPA.
ALEFA TANORA
©VMJ Janv 2022

Autre Articles

ATRIKASA MAHAKASIKA NY TETIKASA OBS-MADA

ATRIKASA MAHAKASIKA NY TETIKASA OBS-MADA

Atrikasa mahakasika ny Fankatoavana ny tari-dalana sy fitaovana fanofanana Tanora momba ny hay-taky sy ny hay-tarika ary Fitantanana sy Fampiroboroboana Tetikasa no notanterahina tetsy amin'ny Hotel Colbert ny 25 Novambra 2021 lasa teo. Notontosaina izany mba...

FITSIDIHAN’NY VMJ NY DISTRIKA’NY VATOMANDRY

FITSIDIHAN’NY VMJ NY DISTRIKA’NY VATOMANDRY

Tao aorian’ny fandalovan’i Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian teto Vatomandry no nanombohana ny fametrahana izao fotodrafitrasa ho an’ny tanora izao na « Maison des Jeunes ». Vita tanteraka ny asa fanamboarana, koa nitsidika ny Distrikan’i Vatomandry ny...