6h00 : Maro amin’ireo traboina no tsy maintsy mamonjy ny asa fanaony andavanandro, mialohan’ny aminy fito ora maraina. Nampisakafoana mofo, nohosorana dibera ary « confiture » miaraka amin’ny dite mafana, ireo mitoby ao amin’ny biraom-pokontany.
Nifanolo-tanana tamin’ny sefo fokontany ny ekipan »ny Ministra Lefitra misahana ny Tanora eo anivon’ ny MJS, izay notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Tanora RAKOTOSEHENO Noro Haingo sy ireo Tale mpiara-miasa aminy. Teo ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny fitaleovam-paritry Analamanga nahafahana nanatontosa izao fampisakafoana vao maraina izao.
Ny asa vadin-drano tsy vita raha tsy ifanakonana.
Izay kely azo atao, atao ampitiavana hatrany.