MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FAMARANANA NY HERIN’ANDROM-PIOFANANA HO AN’NY TANORA TAO AMIN’NY BUREAU POUR L’EMPLOI

Ny BPE dia niorina tany amin’ny taona 2012, manampy ny tanora sahirana no asa sahanin’izy ireo. Mampiofana tanora manodidina ny 80 isa isan-taona eo izy ireo ka miova isan-kerinandro, isam-bolana ary isantaona izany. Ny tanjona amin’izany moa dia ny hahitan’ireo tanora ny lalan-kizorany sy manampy azy ireo ahafahany manatanteraka ireo tetikasa izay vinavinainy hatao ka hahatonga azy hahaleo tena eo amin’ny fiainana.Manampy azy ireo ihany koa hahafahany miditra ho amin’ny fizarana asa ka hahazoany asa mendrika ho azy ireo hiainany eo anivon’ny fiarahamonina.
Ny 28 Janoary 2022 teo no namarana ny herinandrom-piofanana ny BPE izay nahitana andiana tanora 18 izay nanaraka ny fiofanana nandritra ny herinandro ary izany dia teo ambany fiahian’i Ramatoa Minisitra Lefitra misahana ny Tanora, Tahina Juliana Ratovoson.
Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony dia nanome torohevitra sy torolalana ho amin’ny fahombiazana hatrany ny Minisitra Lefitra araka ny maha-tomponandraikitry ny Tanora azy mba tsy ho variana sy ho diso safidy izy ireo. 👩‍🏫 Nisy fifampizarana nataony tamin’reo Tanora ny zavatra azon’ireo tanora nandritra ny fiofanana ka nahitana fa tena fahombiazana sy tombotsoa ho azy ireo tokoa ity fiofanana niaraka amin’ny BPE ity.
Alefa Tanora 💪! Mankasitraka BPE 🙏!
©VMJ Jan 2022

Autre Articles

ATRIKASA MAHAKASIKA NY TETIKASA OBS-MADA

ATRIKASA MAHAKASIKA NY TETIKASA OBS-MADA

Atrikasa mahakasika ny Fankatoavana ny tari-dalana sy fitaovana fanofanana Tanora momba ny hay-taky sy ny hay-tarika ary Fitantanana sy Fampiroboroboana Tetikasa no notanterahina tetsy amin'ny Hotel Colbert ny 25 Novambra 2021 lasa teo. Notontosaina izany mba...

FITSIDIHAN’NY VMJ NY DISTRIKA’NY VATOMANDRY

FITSIDIHAN’NY VMJ NY DISTRIKA’NY VATOMANDRY

Tao aorian’ny fandalovan’i Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian teto Vatomandry no nanombohana ny fametrahana izao fotodrafitrasa ho an’ny tanora izao na « Maison des Jeunes ». Vita tanteraka ny asa fanamboarana, koa nitsidika ny Distrikan’i Vatomandry ny...