MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIARAHA-MIENTANA MITSINJO NY MPIARA-BELONA: MIALY RAJOELINA NIDINA TENY IFOTONY

Nandritra ny fidinana ifotony izay nataon’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy RAJOELINA, sady filohan’ny Association FITIA dia nanotrona azy teny antoerana ireo Minisitra vehivavy izay mpikambana ao anatin’ny Governemanta.
Nisy ny fizarana koba aina sy fanafody ho fanohanana ireo traboina ahafahany mampitombo ny hery fiarovana sy ny fahasalaman’izy ireo ahafahany miatrika tsara ny fiainany andavanandro.
Ny fianakaviana rehetra izay miisa 257 ihany koa dia nozaraina tohana ara-tsakafo, kidoro sy lamba firakotra ary jiro mandeha amin’ny masoandro mba hanamorana ny fiainan’izy ireo andavan’andro.
Ary nofaranana teny amin’ny toeram-pitobiana teny Ankorondrano izany fidinana ifotony izany tamin’ny alalan’ny fizarana sakafo mafana sy ara-pahasalamana ho an’ireo traboina teny antoerana.
©VMJ Janv 2022

Autre Articles

DIEGO: TANORA 310 MISITRAKA FIOFANANA « INFORMATIQUE »

DIEGO: TANORA 310 MISITRAKA FIOFANANA « INFORMATIQUE »

Tanora miisa 310 ao amin'ny renivohi-paritr'i Diana no misitraka fampiofanana "Informatique" izay karakarain'ny Conseil Communal de la Jeunesse Antsiranana. Tonga nijery ifotony izany ny mpikambana amin'ny Kabinetran'ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora, Atoa...

ATRIKASA MAHAKASIKA NY TETIKASA OBS-MADA

ATRIKASA MAHAKASIKA NY TETIKASA OBS-MADA

Atrikasa mahakasika ny Fankatoavana ny tari-dalana sy fitaovana fanofanana Tanora momba ny hay-taky sy ny hay-tarika ary Fitantanana sy Fampiroboroboana Tetikasa no notanterahina tetsy amin'ny Hotel Colbert ny 25 Novambra 2021 lasa teo. Notontosaina izany mba...

FITSIDIHAN’NY VMJ NY DISTRIKA’NY VATOMANDRY

FITSIDIHAN’NY VMJ NY DISTRIKA’NY VATOMANDRY

Tao aorian’ny fandalovan’i Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian teto Vatomandry no nanombohana ny fametrahana izao fotodrafitrasa ho an’ny tanora izao na « Maison des Jeunes ». Vita tanteraka ny asa fanamboarana, koa nitsidika ny Distrikan’i Vatomandry ny...