MINISTRA LEFITRA MISAHANA NY TANORA MIDINA IFOTONY ANY ANOSIBE AN’ALA TAORIAN’I BATSIRAI

Araka ny baiko izay nomen’ny Filohan’ny Repoblika Andry Nirina RAJOELINA dia nanatanteraka fidinana ifotony tany Anosibe an’ Ala niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy ny Minisitra Lefitra misahana ny tanora Juliana Ratovoson.
Mijery akaiky ny zava-mitranga sy izay mety fahavoazana ary ny mahakasika ny mponina taorian’ny fandalavon’ny rivo-doza Batsirai. Ramatoa Ministra lefitra no « Coach Régional » miandraikitra ny faritra Alaotra Mangoro.
Na dia sarotra aza ny lalana, indrindra ao anatin’izao orana izao dia tsy nisakana ny ekipa ny namita iraka any ary mitondra fanampiana ihany koa ho an’ireo mpiray tanindrazana niharan’ny takaitran’ny rivo-doza.
« Fa ny fitiavana no lehibe indrindra »
© VMJ Feb 2022