
Tsy misy DISTRIKA hadino raha mbola niaran’ny fahavoazana nafitsoky ny rivodoza Batsirai. Nanatanteraka ny adidy nankinina taminy amin’ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo avy amin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, ny Ministra Lefitra misahana ny Tanora tao amin’ny Fokontany Andranotapaka sy Voabola.
Araka ny fenitra napetraka dia 5 kilao isan-tokantrano no anjara amin’ny vidiny 1000 Ar ny kilao. Marihina fa mitondra karinem-pokontany ny fianakaviana izay hividy ny Vatsy Tsinjo, hanamora ny fandaminana.
Maro anefa ireo tokan-trano te hisitraka io 5 kg io kanefa tsy ampy ny ampelan-tanana. Mba hampitovy lenta ny rehetra dia nanome tosika ho an’ireo izay tsy mahefa izany Ramatoa Minisitra lefitra.
NY FITIAVANA NO LEHIBE INDRINDRA.
© VMJ Feb 2022