MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

BOKY LIFE SKILLS na FAHAIZA-MIAINA MIATRIKA NY FIAINANA HAVAOZINA HIFANARAKA AMIN’NY FILAN’NY TANORA ARY ADIKA AMIN’NY FITENY FRANTSAY

Manatanteraka atrik’asa ho fanavaozana sy fandikana amin’ny fiteny frantsay ny boky fampiofanana ny tanora« Life skills » ny eo anivon’ny « Direction générale de la Jeunesse » miaraka amin’ireo teknisiana eo anivon’ny Ministra Lefitra misahana ny tanora sy ny Ministeran’ny Tanora ary Fanatanjahan-tena.
Marihina fa fandaharan’asa iray entina manova ny fitondram-pihetsika amin’ny tanora iray, hahaizany mahafantatra ny tenany, mifandray amin’ny hafa, mifehy ny fihetseham-pony, hananany ny fihoarana manoloana ny vesatra sy ny tsindry izay ataon’ny namany indrindra manoloana ireo naman-dratsy, ny hanany fijery miabo mandrakariva ary koa ahafahany mandray ny fanapahan-kevitra matotra sy mahomby ho fanomanany fianan-koaviny no hevi-baventy homena ireo tanora amin’izany.
Izao lahan’asa izao no atao dia mba hanan’ny ministera boky fampiofanana manokana ny tanora ary hohampiasain’ireo rehetra mpisehatra ho fampivoarana ny tanora manerana an’i Madagasikara.
Efa nahitam-bokatra ny fampiharana ity fandaharan’asa ity teny amin’ny faritra 11 izay niarahana tamin’ny UNICEF ary hitarina amin’ny faritra 23 ihany koa.
Anisany paik’ady lehibe entina mampandroso ny tanora araka izany ny « Life skills » ka tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy vola maro samihafa ka hampifanindry an-dalana ny fanohanan’izy amin’ny politikam-pirenena ho an’ny Tanora.
Noho izany dia hampahafantarina ireo mpiara-miombon’antoka ny boky rehefa voadika amin’ny fiteny frantsay. Izao atrik’asa izao dia tontosaina ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny UNICEF.
© VMJ Feb 2022

Autre Articles

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin'ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin'ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo Tanora. Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin'ny Centre d'Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny...

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

SOKAFANA INDRAY AO ANATIN'NY FIFANDRIMBONAN'NY TANORA Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an'Anosibe an'Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran'entana efa simba sy lao efa an-taonany maro. Mandritra izao fandalovan'i Minsitra lefitra...

ANOSIBE AN’ALA NISITRAKA VATSY TSINJO IREO MPONINA

ANOSIBE AN’ALA NISITRAKA VATSY TSINJO IREO MPONINA

Tsy misy DISTRIKA hadino raha mbola niaran'ny fahavoazana nafitsoky ny rivodoza Batsirai. Nanatanteraka ny adidy nankinina taminy amin'ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo avy amin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, ny Ministra Lefitra misahana ny Tanora tao amin'ny...

FAMBOLEN-KAZO ANTSAHADINTA 2022

FAMBOLEN-KAZO ANTSAHADINTA 2022

Fikambanana maro no niara-dia tamin-dRamatoa Ministra Lefitra misahana ny Tanora androany Sabotsy 12 Febroary 2022. Zanakazo maro no novolena nandritr’izany ; ary hita tamin’ireo tanora ny fahavitrihana satria dia tanora iray nahavita nanatsatoka zanakazo 10 avy. Ny...