SOKAFANA INDRAY AO ANATIN’NY FIFANDRIMBONAN’NY TANORA
Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an’Anosibe an’Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran’entana efa simba sy lao efa an-taonany maro.
Mandritra izao fandalovan’i Minsitra lefitra misahana ny tanora Juliana RATOVOSON, izay « coach » an’Alaotra Mangoro no hamohazana sy hamerenana amin’ny hasiny ity « Maison des Jeunes » ity. Esorina avokoa ireo entana rehetra ao ary hifandrimbonan’ny tanora ny fanadiovana izany toerana izany.
Ny « Maison des Jeunes dia toerana famolavolana sy fitazaina ary hitrandrahan’ny Tanora izay rehetra fampandrosoana azy. FANAMBY lehibe ho an-dramatoa Ministra lefitra ny tokony hisokafan’ ity ivo-toeran’ny tanora ity ary hifandrimbonana miaraka amin’ireo tanora ao antoerana ihany. Toy izany koa ny kianja filalaovana baskety izay efa simba an-taonany maro.
TSY MISY MAFY TSY LAITRAN’NY ZOTO SY NY FINIAVANA