MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

SOKAFANA INDRAY AO ANATIN’NY FIFANDRIMBONAN’NY TANORA
Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an’Anosibe an’Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran’entana efa simba sy lao efa an-taonany maro.
Mandritra izao fandalovan’i Minsitra lefitra misahana ny tanora Juliana RATOVOSON, izay « coach » an’Alaotra Mangoro no hamohazana sy hamerenana amin’ny hasiny ity « Maison des Jeunes » ity. Esorina avokoa ireo entana rehetra ao ary hifandrimbonan’ny tanora ny fanadiovana izany toerana izany.
Ny « Maison des Jeunes dia toerana famolavolana sy fitazaina ary hitrandrahan’ny Tanora izay rehetra fampandrosoana azy. FANAMBY lehibe ho an-dramatoa Ministra lefitra ny tokony hisokafan’ ity ivo-toeran’ny tanora ity ary hifandrimbonana miaraka amin’ireo tanora ao antoerana ihany. Toy izany koa ny kianja filalaovana baskety izay efa simba an-taonany maro.
TSY MISY MAFY TSY LAITRAN’NY ZOTO SY NY FINIAVANA
© VMJ – 19 Febroary 2022

Autre Articles

TANORA MIZARA AMPITIAVANA ♥️♥️♥️

TANORA MIZARA AMPITIAVANA ♥️♥️♥️

Tsy hain’ny tanora ny hijery fotsiny izao voina mahazo ny mpiray tanindrazana izao. Tsara kokoa ny manome noho ny mandray , tamim-pitiavana no nitondran’ny tanora fitafiana mafana hanampiana ireo niharam-boina. Izany rehetra izany dia natao teo ambany fitarihan’i...

FIARAHA-MIASA MJS- UNFPA

FIARAHA-MIASA MJS- UNFPA

Nahazo fampitaovana MOTO CROSS miisa ny Ministère de la Jeunesse et des Sports avy amin'ny UNFPA Madagascar ho fanamorana ny fidinana ifotony atao ho fampiroboroboana ny Tanora. Ireo Moto ireo dia omena iasana amin'ny Maison des Jeunes any amin'ireto Faritra manaraka...

FANDRAKOFANA ALA AN’I MADAGASIKARA

FANDRAKOFANA ALA AN’I MADAGASIKARA

Ny faha 19 Janoary 2022 no nosokafana amin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2022 izay natao tao amin'ny Distrikan'i Mahanoro, teo ambany fitarihin'ny Minisitry ny tontolo iainana Baomiavotse Vahinala Raharinirina, MEDD izay nisolo tena ny Filoham-Pirenena Andry...