MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin’ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin’ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo Tanora.
Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin’ny Centre d’Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Fondation Merieux.
Noraisin’ny roa tonta ny andraikitra hanentanana sy hampianarana ny Tanora ny fahaiza-midio, ny fahaiza-mitondra-tena ary indrindra ny fandraisana andraikitra ara-pahasalamana.
Ny tanjona amin’izany dia ny hanentanana ireo Tanora izay tsy mandeha an-tsekoly mahakasika ireo hevi-dehibe mifandraika amin’ny fahasalam-bahoaka amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo ny fitaovana fanentanana ara-pahasalamana izay mifanaraka amin’izay ilain’izy ireo, indrindra ho an’ny fahasalamana ara-pananahana, ny areti-mifindra ary ny fiankinandoha izay mahakasika ny Tanora amin’ny ankapobeny.
Teo ihany koa ireo fitaovana informatika natolotra mba hoampiasain’ireo Tranoben’ny Tanora amin’ny fanentanana sy ho firaketana ny asa vita.
Ny fanaovan-tsonia sy fanolorana ireo fitaovana ireo moa dia notanterahin-dRamatoa Tale Jeneraly ny Tanora, Noro Haingo RAKOTOSEHENO sy Andriamatoa Marc Bonneville, « Directeur Général Adjoint » Fondation Merieux Paris izay samy nohotronin’ireo mpiara miasa sy mpiara-miombon’antoka amin’izy ireo avy.
©️VMJ Feb 2022

Autre Articles

TANORA MIZARA AMPITIAVANA ♥️♥️♥️

TANORA MIZARA AMPITIAVANA ♥️♥️♥️

Tsy hain’ny tanora ny hijery fotsiny izao voina mahazo ny mpiray tanindrazana izao. Tsara kokoa ny manome noho ny mandray , tamim-pitiavana no nitondran’ny tanora fitafiana mafana hanampiana ireo niharam-boina. Izany rehetra izany dia natao teo ambany fitarihan’i...

FIARAHA-MIASA MJS- UNFPA

FIARAHA-MIASA MJS- UNFPA

Nahazo fampitaovana MOTO CROSS miisa ny Ministère de la Jeunesse et des Sports avy amin'ny UNFPA Madagascar ho fanamorana ny fidinana ifotony atao ho fampiroboroboana ny Tanora. Ireo Moto ireo dia omena iasana amin'ny Maison des Jeunes any amin'ireto Faritra manaraka...

FANDRAKOFANA ALA AN’I MADAGASIKARA

FANDRAKOFANA ALA AN’I MADAGASIKARA

Ny faha 19 Janoary 2022 no nosokafana amin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2022 izay natao tao amin'ny Distrikan'i Mahanoro, teo ambany fitarihin'ny Minisitry ny tontolo iainana Baomiavotse Vahinala Raharinirina, MEDD izay nisolo tena ny Filoham-Pirenena Andry...