
Tonga nanome voninahitra ny lalao famaranana ny DOPPEL TOP 20, izay nifanandrinan’ny COSFA sy USA ANKADIFOTSY, teny amin’ny Kianjan’ny Makis Andohatapenaka, Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto.
Anisany taranja nazahoana medaly volamena 4 nandritra ny lalaon’ny Nosy andiany faha 10 tatsy Maorisy ity taranja ity hoy Atoa Minisitra ary manantena hatrany isika fa ahazo mihoatra amin’ny andiany faha-11, izay hotanterahina eto amintsika ny taona 2023 izao.
Hisy ny fanatsarana ity Kianja ity araka izany.
Teo anilan’ny ekipam-pirenena mandrakariva ny Fitondram-panjakana Malagasy ka anisan’izany ny Makis de Madagasikara ary vonona hatrany ny Ministera amin’ny fifanomezan-tanana.
Ny ekipan’ny COSFA no nanondrambaka ny amboara izay natolotry Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto.
Nisaraka tamin’ny isa 39 noho 22 ny lalao.