
Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2022 ny taranja Tolona na » Lutte » notontosaina tetsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, Andriamatoa RAZAFIMBELO Alain, Talen’ny kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ary notronon’ireo Tale eo anivon’ny Minisitera, anio Sabotsy faha-02 Aprily 2022.
Nankasitraka an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto ny Filohan’ny federasiona Malagasy ny taranja Tolona amin’ny fanotronan’ireo solontena avy eo anivon’ny Minisitera, izay mahavelom-bolo ary nampanantena ny tenany fa hanome ny vokatra tsara indrindra.
Hanohana hatrany ny mpanao fanatanjahantena ny Minisitera, indrindra manoloana ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy izay ho tanterahina tsy ho ela eto amintsika.
Nahitana mpikatroka miisa 160, sokajy Junior sy Senior lahy sy vavy ny fifaninana izay fiadiana izay ho Tompondakan’i Madagasikara.