
Ny talata faha-5 aprily, no tonga nitsidika tamin’ny fomba ofisialy an’Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena teto Ambohijatovo ny Masoivohon’ny Soisa miasa sy monina eto Madagasikara, SEM Chasper SAROTT.
Nandritra ny fandraisany fitenenana no niarahabany an’Atoa Ministra amin’ny fitantanana indray ny Ministera.
Nanamarika ihany koa izy ny fahavononany hiara-miasa manoloana ny fandaharan’asa isankarazany eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena.
Nanolotra fisaorana ho an’ny Andriamatoa Ambasadaoro sy ny Repoblika Soisa ny Minisitra TINOKA Roberto nandritra ny fandraisany fitenenana, ary nanamafy fa ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia nametrahan’Atoa Filoham-pirenena programan’asa matanjaka izay mendrika hotohanana.
Madagasikara rahateo dia hampiantrano ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 ny taona 2023 izay nanolorany ny hetahetan’ny Ministera ny handefasana mpanao fanatanjahantena Malagasy amin’ny taranja vitsivitsy hiofana any Soisa noho izy manana ivon-toeram-piofanana avo lenta.
Nisy araka izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny alalan’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.