FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY MASOIVOHON’NY REPOBLIKA ENTIM-BAHOAKAN’I SINA MIASA ETO MADAGASIKARA.

Tonga nitsidika am-panajana an’ Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny masoivohon’ny Repoblika Entim-bahoakan’ny Sina miasa eto Madagasikara, SEM GUO Xiaomei, ny alakamisy faha 07 Aprily 2022, teto Ambohijatovo.

Nandritra ny fandraisany fitenenana no niarahaba an’Andriamatoa Ministra amin’ny fitantanana indray ny Ministera,

ary nanehoany ny fahavononana hanohy ny fiaraha miasa nisy teo amin’ny firenena roa tonta amin’ny alalan’ny Fanatanjahantena.

Nandritra io fihaonana io no nampatsiahivin’Andriamatoa Minisitra ny fiaraha-miasa rehetra efa nisy, toy ny fandefasana mpanao fanatanjahantena niofana tany Chine ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy tamin’ny taona 2019, fanomezana « matériels sportifs », fandefasana manam-pahaizana ara-panatanjahantena, nampiofana ireo mpanazatra sy mpitantana.

Nisaotra ny Ambasadaoro sy ny Repoblika Entim-bahoakan’ny Sina tamin’ny fanampiana nisy hatramin’izay, Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ary manantena ny hitohizan’izany hatrany, indrindra amin’izao hankatokin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy izay Madagasikara no hampiantrano azy.