FEDERASIONA MALAGASY NY TARANJA KICKBOXING : FITSIDIHANA ARAM-POMBA FANAJANA

Ny alakamisy faha – 07 Aprily 2022, dia tonga nitsidika an’Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, teto amin’ny toeram-piasany Ambohijatovo ny fianakaviam-ben’ny mpikatroka ny taranja « Kick boxing » izay notarihan’ny Jeneraly LYLISON René de Rolland, Filoha mitantana ny federasiona.

Niarahaba an’Andriamatoa Minisitra izy ireo amin’izao fitantanany indray ny Minisitera izao sy hametraka ny fatokisana ny hananana hoavy tsara amin’ity taranja ity eto Madagasikara ary hamerina indray ny lazan’ny Kick boxing izay nazahoantsika tompondaka manerantany.

Vonona hanohana hatrany ny mpanao fanatanjahantena rehetra ny Minisitera, hoy Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, nandritra ny lahateniny ary miandrandra vokatra tsara isika amin’ny lalaon’ny Nosy izay ho tanterahina eto amintsika ny taona 2023.