Mpiasa 150 eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no nisitraka fiofanana mahakasika ny « Secourisme », izay atao etsy amin’ny Academie Nationale des Sports Ampefiloha (ANS).
Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny 20 Aprily, Andriamatoa Sekretera Jeneraly RALAIVAO Lovatiko, izay nisolotena an’ Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto.
Nirary fahombiazana ho an’ny mpiofana rehetra ny tenany, ary tsy hijanona eto Antananarivo ihany izao fiofanana izao fa aparitaka any amin’ny faritra ary ireto mpiofana ireto ihany no hampita sy hampihatra ny fahaizana noraisiny ao aorinan’izao fiofanana izao.