Ho Fanomanana ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy 2023, dia nisy ny fivoriana ara-teknika izay notontonsaina tetsy amin’ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha, ny 20 Aprily 2022, izay niarahana tamin’ireo 23 Federasiona voakasika amin’ity lalao ity.
Ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Ministera, Andriamatoa RALAIVAO Lovatiko sy Andriamatoa ANDRIAMANARIVO Harinielina, Sekretera Jeneralin’ny Komity Olaimpika Malagasy, no nitarika ny fivoriana niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany eo anivon’ny Ministera sy Komity Olaimpika.
Ny mahakasika ny fandaharam-potoana momba fampivondronana ireo Atleta Malagasy, sy ny fitaovana ara-teknika mifanandrify amin’izany no votoatin’ity fivoriana ity.