Ny faha 21 Aprily 2022, dia nisy ny fihaonana tamin’ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY sy ny fikambanana mikirakira ny Taekwondo ITF, izay nisedra olana hatramin’izay eo amin’ny lafiny fitantanana.
Nahita marimaritra iraisana ireo tompon’andraikitra isan-karazany eo anivon’izany taranja izany izay hanatanteraka fiaraha-mitantana mba ho fampivondronana azy ireo anaty rafitra iray ho tombontsoan’ny mpikatroka sy mpiangaly rehetra.