Tontosa ny faha 01 May, tao amin’ny kianjan’Ampasambazaha Fianarantsoa ny famaranana ny fifaninanana nasionaly izay nandraisan’ny ekipa voafantina avy amin’ireo faritany enina (6) anjara.
Fifaninanana natao hitiliana ireo mpilalao mendrika hiaro ny voninahitr’i Madagasikara ao anatin’ny ekipam-pirenena Barea U23 ka ny tanjona dia fanomanana ny hidiran’i Madagasikara ho mpandray anjara amin’ny Lalao olaimpika 2024 izay hatao ao Parisy .
Tonga nanome voninahitra izany lalao izany, nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena, Andriamatoa TINOKA Roberto ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa RAKOTOZAFY Rosa.
Ary nampita ny firariantsoa avy aminy sy fanamafisana fa ny Ministera izay tantaniny dia eo akaikin’ny mpanao fanatanjahan-tena mandrakariva izay mila ny fanohanan’ny Fitondram-panjakana ho fanatanterahana ny Velirano faha-13.
Nanatrika izany fandaharam-potoana izany ihany koa ny Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony
Nisy ny fanolorana amboara izay avy amin’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry Rajoelina ho fanohanana ity hetsika ity.
Ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena dia manohana mandrakariva ny hetsika ara-panatanjahantena hanandratana avo ny voninahitr’i Madagasikara.