Notanterahana tany Antsiranana ny faha 18 hatramin’ny 21 May 2022 lasa teo, ny atrik’asa niarahan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay notarihan’Andriamatoa RAJOHARISON Andrianina, Tale CCMAJ eto anivon’ny Minisitera, sy ny DRJS Diana ary ny UNICEF, izay tetik’asa niompana tamin’ny fanentanana ny vondrona tanora sy fikambanana tanora, hiditra ao anatin’ny U-Report Madagascar.
U-Report Madagascar dia fitaovana iray entina hiainohana sy handraisana ny hevitra avy amin’ny tanora, izay hiarahan’ny firenena mikambana sy ny firenena Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay eo ambany fitarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto.
Ny fidirana ao anatin’ny U-Report Madagascar dia efa anjara biriky lehibe entin’ny tanora sy ny fikambanana tanora, hiara hisalaha ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Maro ankehitriny ny firenena mampiasa ny U-Report, izay entina hitondrana fampandrosoana fa indrindra entina hihainoana ny feon’ny Tanora ao aminy.