FOOTBALL: ANDRO FAHAROA EO AMIN’NY FIFANINTSANANA CAN 2023 MADAGASIKARA 01 – ANGOLA 01

Nisaraka ady sahala ny lalao teo amin’ny Barea an’i Madagasikara sy ny ekipan’i Angola nandritra ny andro faharoa teo amin’ny fifanintsanana ny CAN 2023.

Tonga nanotrona ny ekipam-pirenena Malagasy ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy Ramatoa vadiny, notronin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, ny Filohan’ny Antenimeram-pirenena, ny Filohan’ny Antenimieran-doholona, ary ireo olo-manankaja maro isan-karazany.

Manohana mandrakariva ny mpanao fanatanjahantena Malagasy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.