Notontosaina ny Alakamisy faha-09 Jona 2022, tetsy amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus Stadium ny lalao ara-piralahina izay nifanandrinan’ny Barea U23 sy ny ekipam-pirenenan’i Maorisy
Naharesy tamin’ny isa 2 noho 1 i Madagasikara nandritra ity lalao voalohany ho fanomanana ny fifanitsanana CAN 2023, sokajy U23 sy ny « Jeux Olympiques 2024 » ity
Tonga nanotrona sy nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, niaraka tamin’ireo Tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Minisitera.