Notanterahana ny faha 21, 22 ary 23 Jona 2022, tao Antsirabe ny zaikabe rezionaly ho an’ny tanora.
Tanora miisa 150 avy amin’ny faritra 11 no nanatanteraka izany hetsika izany, izay niarahana tamin’ny Catholic Relief Services (CRS).
Miompana amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fandraharahan’ny tanora ny dinidinika sy ny atrikasa izay natao nandritra ny telo andro. Eo ny fifampizarana traikefa, ny fampiofanana sy ny loabary andasy iarahan’ireo tanora mandinika ny anjara andraikiny eto amin’ny firenena sy ny fampiroboroboana ny fandraharahana eny anivon’ny tontolo ambanivohitra.
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto nandritra izany ny Tale misahana ny Fampananan’asa sy ny Fandraharahan’ny Tanora, Ramatoa Arlette RAHAJARIJAONA, izay nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny zaikabe nitondra ny lohahevitra hoe « IZAHO TANORA MITONDRA FIOVANA ».
Nambarany fa mifandraika amin’ny programa FANOITRA an’ny Minisitera izay mikatsaka hatrany ny fampandrosoana ny tanora izao hetsika natao izao.