MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

YOUTH SUMMIT 2022

Notanterahana ny faha 21, 22 ary 23 Jona 2022, tao Antsirabe ny zaikabe rezionaly ho an’ny tanora.

Tanora miisa 150 avy amin’ny faritra 11 no nanatanteraka izany hetsika izany, izay niarahana tamin’ny Catholic Relief Services (CRS).

Miompana amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fandraharahan’ny tanora ny dinidinika sy ny atrikasa izay natao nandritra ny telo andro. Eo ny fifampizarana traikefa, ny fampiofanana sy ny loabary andasy iarahan’ireo tanora mandinika ny anjara andraikiny eto amin’ny firenena sy ny fampiroboroboana ny fandraharahana eny anivon’ny tontolo ambanivohitra.

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto nandritra izany ny Tale misahana ny Fampananan’asa sy ny Fandraharahan’ny Tanora, Ramatoa Arlette RAHAJARIJAONA, izay nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny zaikabe nitondra ny lohahevitra hoe « IZAHO TANORA MITONDRA FIOVANA ».

Nambarany fa mifandraika amin’ny programa FANOITRA an’ny Minisitera izay mikatsaka hatrany ny fampandrosoana ny tanora izao hetsika natao izao.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....