Nifarana ny alarobia faha 29 Jona 2022 ny fihaonana eo amin’ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka, izay notanterahana nanomboka ny Talata faha 28 Jona 2022, teny amin’ny CCI Ivato.
Tonga namaly ireo hetaheta sy fanontaniana isankarazany napetrak’ireo Solombavambahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto.
Nasongadina nandritra ny famelabelarana nataony ny ezaka goavana noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tamin’ny fananganana fotodrafitrasa goavana toy ny Kianja Barea, ny kianja mitafo, ny dobo filomanosana olaimpika.
Nohamafisiny ihany koa ny fanamby napetrakin’ny Filoham-pirenena hananganana « Kianja manarapenitra » iray hoan’ny Distrika iray, mba tsy hisy Distrika hadino intsony eto Madagasikara.
Ho an’ny tanora dia nampahafantarin’Andriamatoa Minisitra ny Programa FANOITRA izay mikendry indrindra ny fanapariahana Tohivakam-pihariana ho an’ny tanora (pôles emplois jeunes) izay haparitaka manerana ny Faritra sy ny Distrika eto Madagasikara.