Tsy hay ny hitazana fotsiny manoloana ny vaovao nampalahelo niseho tao amin’ny Fokontany Lovobe Morondava , izay nitrangana fanampoizinana ara-tsakafo ka nahafaty olona miisa 14 ary 54 kosa nampidirina hopitaly.
Amin’ny maha Minisitra mpiahy ny Faritra Menabe an’Andriamatoa TINOKA Roberto, dia mahatsiaro manana adidy ny fitondram-panjakana izay tarihin’Andriamatoa Filoha Andry RAJOELINA sy ny Praiministra NTSAY Christian ka nisy ny fidinana ifotony niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tao an-toerana (Solombavam-bahoaka , Governora , Prefet ary ireo mpikambana OMC) nitondra fanampiana ho an’ny fianakavian’ny maty, fanampiana ho an’ireo marary izay mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly. Noraisina an-tanana araka izany ny fikarakarana azy ireo .
Mankahery hatrany ny fianakavian’ny niharam-boina ary maniry fahasalamana aingana ho an’ireo marary