Tontosa ny 06 Jolay 2022 tao Betroka ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny « Maison des Associations Réseau Andriry Mivoatsy ».
Isaorana ireo mpiara-miombon’antoka » UN PBF – Fonds pour la Consolidation de la paix » niara niasa amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena amin’ny fahazoana izao fotodrafitrasa izao, izay ahitana toy ny Salle de réunion, Salle d’informatique, Studio de répétition, Studio d’enregistrement…
Tonga nanome voninahitra izany lanonana izany ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, Andriamatoa RALAIVAO Lovatiako sy Ramatoa RAZANAMASY Tsikitsiky, Tale Jeneraly misahana ny Tanora eto anivon’ny Minisitera ary ireo delegasionina niara dia aminy, izay nisolotena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto nandritra ity lanonana ity.