Notontosaina ny 16 jolay 2022 teny amin’ny « centre de loisirs MARLIX » Anosiala Ambohidratrimo ny fifaninanana ara-pirahalahina eo amin’ny taranja tsipy kanetibe.
Ambasadaoro na ny solotenany, avy amin’ny firenena sivy no tonga nandray anjara, izay nandrafitra ekipa olontelo niaraka tamin’ireo tanora Malagasy mpiangaly tsipy kanetibe lahy sy vavy avy amin’ny Federasion’izany taranja izany. Norombahan’ny ekipan’i Liban ny amboara tamin’ity andiany ity.
Ny fivondronan’ireo Ambasadaoron’ny Firenena miteny Frantsay miasa eto Madagasikara, izay nampian’ny Federasionina Malagasy tsipy kanetibe teo amin’ny lafiny teknika no nikarakara ny hetsika, izay notohanan’ny « Organisation Internationale de la Francophonie » (OIF).
Tonga nanome voninahitra sy nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity ireo mpiara miasa eto anivon’ny Minisitera izay notarihan’ny Talen’ny Kabinetra, Andriamatoa RAZAFIMBELO Alain, izay nisolotena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto nandritra izany.