MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA TSIPY KANETIBE: FIFANINANANA ARA-PIRAHALAHINA EO AMIN’NY AMBASADAORO NY FIRENENA MITENY FRANTSAY ETO MADAGASIKARA

Notontosaina ny 16 jolay 2022 teny amin’ny « centre de loisirs MARLIX » Anosiala Ambohidratrimo ny fifaninanana ara-pirahalahina eo amin’ny taranja tsipy kanetibe.

Ambasadaoro na ny solotenany, avy amin’ny firenena sivy no tonga nandray anjara, izay nandrafitra ekipa olontelo niaraka tamin’ireo tanora Malagasy mpiangaly tsipy kanetibe lahy sy vavy avy amin’ny Federasion’izany taranja izany. Norombahan’ny ekipan’i Liban ny amboara tamin’ity andiany ity.

Ny fivondronan’ireo Ambasadaoron’ny Firenena miteny Frantsay miasa eto Madagasikara, izay nampian’ny Federasionina Malagasy tsipy kanetibe teo amin’ny lafiny teknika no nikarakara ny hetsika, izay notohanan’ny « Organisation Internationale de la Francophonie » (OIF).

Tonga nanome voninahitra sy nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity ireo mpiara miasa eto anivon’ny Minisitera izay notarihan’ny Talen’ny Kabinetra, Andriamatoa RAZAFIMBELO Alain, izay nisolotena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto nandritra izany.

Autre Articles

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika ara-pomba ofisialy ny Préfet an'i Morondava sy ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Menabe ny delegasiona avy eto amin'ny Minisitera izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy, ny...

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

Notanterahana ny 7 Jolay 2023 tao amin'ny kianja Barea Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika Youth Corner izay karakarain'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Aharitra 2 andro, ny 7 sy 8 Jolay ny hetsika ary ahitana sy ahalalan'ny...

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian'ny faritra Analamanga sy faritra Toamasina dia anjaran'ny tanora tao amin'ny faritra Boeny indray no nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA, izay tetikasan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan'Andriamatoa Minisitra André Haja...

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

Tafaverina an-tanindrazana ny 04 jolay 2023 ny ekipam-pirenena Malagasy ANKOAY izay nitondra avo ny voninahim-pirenenanandritra ny fifaninanana fiadiana ny tompondaka maneran-tany eo amin'ny taranja basket-ball latsaky ny 19 taona, natao tany Debrecen Hongrie....

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

Nigadona an-tanindrazana ny 26 Jona 2023 i RANOMENJANJARY Sitrakiniaina Alban, atleta nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika taranja Bras de Fer, izay natao tao Accra. Medaly miisa efatra (4) no azon'i Madagasikara izay mitsinjara toy...