Notanterahana ny 19 Jolay 2022 ny fitokanana ny kianja synthetique vaovao ao amin’ny « Santilo Club » etsy Anosizato Andrefana.
Tonga nanome voninahitra izany ary nisolotena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY. Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony no nampitany ny teny firariantsoa ho an’ny club Santilo avy amin’Andriamatoa Minisitra sy ny fahavononan’ny Minisitera hanampy sy hanohana ny ezaka toy izao izay mariky ny fampandrosoana miaraka ny tontolon’ny baolina kitra.
Napetraky ny Fitondram-panjakana izay tarihan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao anaty fandaharan’asany ny fanatanjahantena izay noraketina ao anaty Velirano faha13, natao hampiasaina ny fanatanjahantena hanandrantana indray ny hambom-pirenena. Izany dia notanterahina tamin’ny alalan’ny fametrahana fotodrafitrasa manerana ny Nosy izay miainga avy eny ifotony.
Noho izany indrindra no iderana sy isaorana ny mpitantana eo anivon’ny Santilo Cub amin’ny ezaka rehetra nataony nahavita ireo fotodrafitrasa izay notokanana ireo, izay hositrahin’ny tanora sy mpakafy baolina kitra eo Anosizato.
Ny fampandrosoana ny fanatanjahantena dia tsy vitan’ny fitondram-panjakana irery fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny olona rehetra tsy ankanavaka.
« Ny tao-trano rahateo tsy efan’ny irery ».
Teo am-pamaranana no nampatsiahivany fa ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa TINOKA Roberto dia vonona mandrakariva hifanome tanana amin’ny lafiny rehetra mifanaraka amin’ny fahafahana manao izany ary indrindra koa mifanaraka amin’ny lamina rehetra apetrakin’ny fitondram-panjakana amin’izay lafiny fanampiana sy fanomezan-tanana izay.