MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

BASKETBALL: AFROBASKET U18, ANTSIRABE

Tontosa ny 21 Jolay 2022 tao amin’ny AROTEL Antsirabe ny valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety izay niarahana tamin’ny Federasionina Malagasy ny taranja Basketball (FMBB) sy ny Komity mpikarakara ny « AFROBASKET U18 » (COCAN) ho fanolorana amin’ny fomba ofisialy ity lalao ity ho an’ny tanànan’Antsirabe.

Ekipa vehivavy miisa valo no handray anjara amin’ity lalao ity ary ny alahady faha 24 Jolay izao no higadona ao Antsirabe ny ekipam-pirenena Malagasy « ANKOAY » U18 zazavavy hiatrika ny tohin’ny fanazarantena.

Tonga nanatrika ity valan-dresaka niarahana tamin’ireo mpanao gazety ity ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, nisolotena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto. Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony no nanambarany ny fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana Malagasy izay antoka voalohany nahafahana nampianatrano ity fifaninanana iraisam-pirenena ity.

Zava-dehibe ho an’ny fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fametrahana fotodrafitrasa miparitaka manerana ny Nosy izay antony iray nahafahatsika mampiantrano lalao iraisam-pirenena toy izao aty amin’ny faritra.

Midika izany fa tsy mijanona amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa fotsiny ny Fanjakana Malagasy fa mifantoka ihany koa amin’ny fandraisana lalao iraisam-pirenena izay hotanterahina eny amin’ny faritra hahafahana manao izany ary anisan’izay ny Kianja mitafon’i Vatofotsy izay nahazo fankatoavana avy amin’ny Federasiona Iraisam-pirenena ny Taranja Basketball na FIBA

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay eo ambany fitarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia mankasitraka mandrakariva ny fiaraha-miasa rehetra misy eo anivon’ny Governora, ny Kaominina sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra tsy ankanavaka amin’ny fanohanana ny fanatanjahantena indrindra mandritra ny fandraisana lalao lehibe toy izao izay fomba iray lehibe anehoana ny tena Firaisankina.

Autre Articles

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika ara-pomba ofisialy ny Préfet an'i Morondava sy ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Menabe ny delegasiona avy eto amin'ny Minisitera izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy, ny...

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

Notanterahana ny 7 Jolay 2023 tao amin'ny kianja Barea Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika Youth Corner izay karakarain'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Aharitra 2 andro, ny 7 sy 8 Jolay ny hetsika ary ahitana sy ahalalan'ny...

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian'ny faritra Analamanga sy faritra Toamasina dia anjaran'ny tanora tao amin'ny faritra Boeny indray no nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA, izay tetikasan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan'Andriamatoa Minisitra André Haja...

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

Tafaverina an-tanindrazana ny 04 jolay 2023 ny ekipam-pirenena Malagasy ANKOAY izay nitondra avo ny voninahim-pirenenanandritra ny fifaninanana fiadiana ny tompondaka maneran-tany eo amin'ny taranja basket-ball latsaky ny 19 taona, natao tany Debrecen Hongrie....

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

Nigadona an-tanindrazana ny 26 Jona 2023 i RANOMENJANJARY Sitrakiniaina Alban, atleta nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika taranja Bras de Fer, izay natao tao Accra. Medaly miisa efatra (4) no azon'i Madagasikara izay mitsinjara toy...