Tafaverina eto an-tanindrazana ny 24 jolay 2022 tamin’ny 02 ora maraina ireo Judokas izay nitondra avo ny voninahim-pirenena nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, natao tany Nairobi, Kenya ny 23 sy 24 Jolay teo.
Fifaninanana izay nahazoan’i Laura RASOANAIVO RAZAFY medaly volamena ka nahavoahosotra azy ho Tompondakan’i Afrika eo amin’ny sokajy latsaky ny 70kg.
Medaly alimo ny an’i Lova MAHAISOA teo amin’ny sokajy latsaky ny 73kg.
Tonga nitsena azy ireo ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, notarihan’Andriamatoa RABARINALA Thierry, Tale Jeneralin’ny Académie Nationale des Sports, izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto.
Miarahaba manokana ireo mpanao fanatanjahan-tena nitondra avo ny voninahim-pirenena, ny mpanazatra.
Arahabaina toy izany koa ny Federasiona Malagasy ny Judo tamin’ny fikarakarana ary ireo mpiara-miombonantoka rehetra tsy ankanavaka miaramiasa amin’ny fampandrosoana ny Fanatanjahan-tena malagasy.