Ankoatra ny fanaraha-maso ny fikarakarana ny fandraisana ny Afrobasket U18 vehivavy hatao ao Antsirabe dia nohararaotina ihany koa ny fotoana mba hitsidihana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena sy nijerena ny fandrosoan’ny asa.
ANTSIRABE:
Kianja mitafo ao Vatofotsy izay nijerena akaiky ireo fanatsarana rehetra toy ny fahavitan’ny fametahana ny Tableau électronique, famaranana ny fanamboarana ny « parking » ivelany izay eo andalam-pahavitana tanteraka, fanatsarana sy ny fanadiovana ny ao anatiny, fitsirihana ny trano fidiovana sy fisoloana akanjo ary ny mahakasika Jiro sy Rano izay tena zava-dehibe tokoa mandritra ny fandraisana io lalao lehibe io. Efa mipetaka avokoa araka izany ny Jiro ivelany rehetra nifanarahana tamin’ny Jirama
AMORON’I MANIA:
Nisy ihany koa ny fitsidihana sy fijerena ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny Kianja manara-penitra ao Amoron’i Mania izay efa miroso amin’ny fametahana ny » Tapis sentetika » ka tsy ho ela intsony dia ho vita tanteraka ity kianja ity ary mandroso ny asa araka izay. Anisany nahatara ny asa ny firotsahan’ny orana be dia be nisesy teo ho eo tany an-toerana.