MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FOTODRAFITRASA ARA-PANATANJAHANTENA

Ankoatra ny fanaraha-maso ny fikarakarana ny fandraisana ny Afrobasket U18 vehivavy hatao ao Antsirabe dia nohararaotina ihany koa ny fotoana mba hitsidihana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena sy nijerena ny fandrosoan’ny asa.

ANTSIRABE:

Kianja mitafo ao Vatofotsy izay nijerena akaiky ireo fanatsarana rehetra toy ny fahavitan’ny fametahana ny Tableau électronique, famaranana ny fanamboarana ny « parking » ivelany izay eo andalam-pahavitana tanteraka, fanatsarana sy ny fanadiovana ny ao anatiny, fitsirihana ny trano fidiovana sy fisoloana akanjo ary ny mahakasika Jiro sy Rano izay tena zava-dehibe tokoa mandritra ny fandraisana io lalao lehibe io. Efa mipetaka avokoa araka izany ny Jiro ivelany rehetra nifanarahana tamin’ny Jirama

AMORON’I MANIA:

Nisy ihany koa ny fitsidihana sy fijerena ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny Kianja manara-penitra ao Amoron’i Mania izay efa miroso amin’ny fametahana ny  » Tapis sentetika » ka tsy ho ela intsony dia ho vita tanteraka ity kianja ity ary mandroso ny asa araka izay. Anisany nahatara ny asa ny firotsahan’ny orana be dia be nisesy teo ho eo tany an-toerana.

Autre Articles

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika ara-pomba ofisialy ny Préfet an'i Morondava sy ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Menabe ny delegasiona avy eto amin'ny Minisitera izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy, ny...

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

Notanterahana ny 7 Jolay 2023 tao amin'ny kianja Barea Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika Youth Corner izay karakarain'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Aharitra 2 andro, ny 7 sy 8 Jolay ny hetsika ary ahitana sy ahalalan'ny...

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian'ny faritra Analamanga sy faritra Toamasina dia anjaran'ny tanora tao amin'ny faritra Boeny indray no nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA, izay tetikasan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan'Andriamatoa Minisitra André Haja...

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

Tafaverina an-tanindrazana ny 04 jolay 2023 ny ekipam-pirenena Malagasy ANKOAY izay nitondra avo ny voninahim-pirenenanandritra ny fifaninanana fiadiana ny tompondaka maneran-tany eo amin'ny taranja basket-ball latsaky ny 19 taona, natao tany Debrecen Hongrie....

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

Nigadona an-tanindrazana ny 26 Jona 2023 i RANOMENJANJARY Sitrakiniaina Alban, atleta nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika taranja Bras de Fer, izay natao tao Accra. Medaly miisa efatra (4) no azon'i Madagasikara izay mitsinjara toy...