Noraisin’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto ny talata 26 jolay 2022 tao amin’ny toeram-piasany Ambohijatovo, ny ekipam-pirenena Barea Beach Soccer izay nitondra vokatra tsara nandritra ny lalao voalohany teo amin’ny fifanintsanana CAN Beach soccer, natao tany Seychelles ny farany herinandro lasa teo.
Nandresy tamin’ny isa 5 noho 2 ny Barea nandritra ity lalao mandroso ity izay nifanandrinana tamin’ny ekipan’i Seychelles.
Hotanterahina any Mahajanga ny lalao miverina ny 07 Aogositra 2022 ho avy izao.
Nisaotra azy ireo tamin’ny vokatra tsara izay nampamiratra hatrany an’i Madagasikara ny tenany ary nanamafy fa ny Minisitera dia vonona hanohana ny mpanao fanatanjahantena rehetra. Nanolotra marim-pankasitrahana ho an’ireo mpilalao ny Minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, amin’izao ezaka maha velom-bolo nasehon »izy ireo izao.