Nisy ny valan-dresaka niarahana tamin’ireo mpanao gazety ny 29 Jolay 2022, izay notanterahina tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Nifantoka tamin’ny fanomezana ny fandaharam-potoana mandritra ny Afrobasket, ny fanolorana ireo ekipa zazalahy U18 sy ny ekipa teknika ary fampahafantarana ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpanohana ny lalao izany.
Ny Filohan’ny Federasionina Malagasy ny Basketball, RAMAROSON Jean Michel, niaraka tamin’ny Filohan’ny komity mpikarakara (COCAN) Jeneraly ZAFISAMBO Nina Ruphin, no nitondra ny fanazavana mahakasika ny fizotry ny lalao amin’ny ankapobeny sy ny andro hanaovana ireo lanonam-panokafana, ny isan’ny lalao hatao isan’andro ary ny fotoana handraisan’ny ekipam-pirenena ANKOAY anjara.
Ny Tale Jeneralin’ny TAFITA, Andriamatoa Eric RAKOTOARIMANGA sy ny Tale Jeneralin’ny Académie Nationale des Sports, Andriamatoa Thierry RABARINALA no nisolotena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto izay nanazava ny fandraisana andraikitra ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny fikarakarana ny fandraisana lalao iraisam-pirenena toy izao izay iarahan’ny Ministera, ny Governora, ny Kaominina ary ny mpiara-miombon’antoka rehetra misalahy ankoatra ny federasiona.