Tontosa ny 01 sy 02 aogositra 2022 ny fikaonandoha nasionaly mikasika ny fanabeazana ho an’ny fanavaozana hatrany ifotony ny rafim-pampianarana misy eto Madagasikara.
Hoentina hanatsarana ny fanabeazana no tanjona amin’ity atrikasa ity izay iarahanan’ireo Minisitera telo misahana ny fampianarana dia ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony, Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Arak’asa.
Tonga namaly ny fanasana ary nanome voninahitra izany fandaharam-potoana teknika izany ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay notarihan’Andriamatoa RABARINALA Thierry, Tale Jeneralin’ny Académie Nationale des Sports.