Tontosa ny 05 aogositra 2022, tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-20 ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja Basketball U18 lehilahy izay atao ny 04 hatramin’ny 14 Aogositra 2022.
Tonga nanome voninahitra izany ireo Tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay notarihin-dRamatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale Jeneralin’ny Fanatanjahatena nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto.
Nandritry ny lahateniny no nanambarany fa ️faha-6 amin’izao Madagasikara no mampiantrano ny Afrobasket, porofon’ny fitokisana apetrakin’ny FIBA Africa izany. Nampita ny fisaorana feno ho an’ny FIBA avy amin’ny fitondram-panjakana amin’izao tombotsoa lehibe azontsika izao.
Miavaka ity andiany ity nohon’ny fampiantranona eo amin’ny sokajy lahy sy vavy miaraka, izay voalohany ho antsika eto Madagasikara izany.
Nametraka ny Fanatanjahantena hanandratana avo ny hambompom-pirenena i Madagasikara amin’ny alalan’ny velirano faha 13 izay napetrakin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA.
Izany no tanteraka dia amin’ny alalan’ny fananganana foto-drafitrasa ara-panatanjahantena, ny fandraisan’ireo atleta anjara amin’ny fihaonana iraisam-pirenena ary ny fandraisana sy fampiantranona fifaninanana iraisam-pirenena toy izao.
Manohana tanteraka na ara-bola na arak’olona na ara-fotodrafitrasa ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Tolorana fisaorana ny Federasionina Malagasy ny taranja Basikety sy ny Komity mpikarakara ary ny mpiara-miombon’antoka rehetra tamin’ny fikarakarana sy fiaraha-miasa rehetra.